Entrée | 1 Ali-mainty mamanala |
Mots élémentaires | 2 alina, 3 mainty, 4 mamanala |
Partie du discours | 5 nom propre (titre de poème) [Liste complète] |
Vocabulaire | 6 Littérature: poèmes |
Auteur |
7 Razakandraina Jean Verdi Salomon |
Texte complet |
8 Njany rivotra mitsoka, rivotra mamirifiry, 9 Mahangoly ny aty tsoka sady mampangirifiry; 10 Efa maty re ny afo ka tsy misy hamindroana, 11 Iza no hanafosafo? Ineny no tsaroana! 12 E! ry alin'alahelo! ali-mampahoriory, 13 Tairinao hamelovelo ny eritreritro matory, 14 Ka ny fasana mihidy no nanjary novohany, 15 " Neny tiana " no tadidy ka ny foko dia tomany. 16 Aiza izao ankehitriny, ô ry alina somamby, 17 Iny reny mamiko iny, nahazoako tambitamby? 18 Volana izy ka nisoka nefa tsy hiseho intsony! 19 Ory loatra fa sodoka ny kamboty toy itony! 20 Fony i Neny mbola teto, tsy mba nisy fahoriana, 21 Tsy mba fantatra ny sento, lavitra ny fanahiana, 22 Voronkely nombombana, nandry tsy nadisadisa , 23 Saron'elatra mafana, nanonofy Paradisa! 24 Nefa izao dia mamanala izato alina mavany , 25 Erika sy patrakala no nanondraka ny tany; 26 Tora-kovitra indrisy!'lay tsy zatra mba nihafy, 27 Lamba rovitra no misy, nefa tsy mba mahatafy! 28 Eny! tsy mba eto intsony i Neny nampiondan-tsandry, 29 O! ry alina malony , tairinao ny fota-mandry! 30 Ranomaso no mandriaka, sady jenjina ny loha, 31 Fa ny ali-mangatsiaka ali-mampamohafoha! 32 O! ry ali-mampisaona, mampanembona ny foko, 33 Ora firy, sa ho taona, vao hangina ny toloko? 34 Sa ny alinay kamboty holanin-kitomaniana, 35 Ho famoizana ny angoty fony nanan-dreny tiana? 36 Ngolingoly sady ana re, ry alina, izahay, 37 Lamba be tsy rtlahafana no arakotrao anay; 38 Aza ela, mikipaha, ry ali-mampisento, 39 Ry masoandro, miposaha, fiadanana no ento. |
Mis à jour le 2025/10/11 |
![]() |